Eo am-panaovana ezaka lehibe amin’ny fampitomboana ny vokatra fambolena sy fiompiana, ilaina ny mandinika ny vahaolana maharitra, indrindra manoloana ny fiovaovan’ny toetr’andro.
Ny teknikam-pamokarana agroekolojia dia fomba famokarana mikajy ny tontolo iainana sy mitandro ny nofon’ny tany amin’ny fanaovana voly rakotra, fampiasana zezika biolojika, ary fampivadiam-boly na fifampidimbiasam-boly.
Mikendry ny hampitombo ny vokatra ara-pambolena sy ara-piompiana amin’ny fomba maharitra ny teknika, ka Zava-dehibe ny fampiharana izany eto Madagasikara izay anisan’ny voakasiky ny fiovaovan’ny toetrandro.
Ho fampiroboroboana ny fampiharana ny agroekolojia noho izany dia nanatanteraka fanadihadiana sy fikarohana ny tetikasa DINAAMICC sy ProSilience izay novatsian’ny Vondrona Eropeanina vola, mba hahafahana mamaritra mazava ny voka-tsoa sy ny fetran’ny teknika agroekolojia.
Natolotra nandritra ny atrikasa notanterahina ny 19 septambra 2024 ny vokatry ny fanadihadiana. Fotoana iray ihany koa nanatanterahana fakan-kevitra teo amin’ireo mpisehatra amin’ny agroekolojia, mba hanaovana adisisika amin’ny fampiharana sy ny fanapariahana ity teknika ity eto Madagasikara.
Dingana lehibe mifototra amin’ny fampivoarana ny Famokarana, ny teknika agroekolojia.