Sehatry ny fiompiana, antoky ny fampiroboroboana ny fandraharahana ara-pamokarana eto Madagasikara

Ny 8 hatramin’ny 11 desambra 2022, eny amin’ny kianjan’ny BAREA Mahamasina no hanatanterahina ny adiniany voalohany FIEPA « TSENABE IRAISAM-PIRENENA MOMBA NY FIOMPIANA SY NY VOKATRA AZO AVY AMINY», hetsika izay karakarain’ ny Ministeran’ ny Fambolena sy ny Fiompiana miaraka amin’ireo mpiara-miombon’antoka sy ireo mpandraharaha eo amin’ ny sehatra tsy miankina.

Andry  iankinan’ny fampandrosoana eto Madagasiakara ny sehatry ny fiompiana, ary manana ny anjara toerany lehibe eo amin’ny sehatra ara-toekarena,  ekonomika, sosialy ary kolontsain’ny firenena. Vola malaky  azo ampiasaina hoan’ny tokantrano eny ambanivohitra na ny manodidina ny renivohitra raha sendra tojo  fasahiranana, ary sehatra manampy  amin’ny fidiram-bolan’ ny 60% ny tokantrano.

Misedra olana lehibe anefa ny fiompiana Malagasy ankehitriny. Tsy mbola mahafeno ny filàn’ny mponina ny vokatra eto an-toerana, ary vinavinaina mbola hihena foana izany. Ambany ny fatran’ny vokatra jifaina raha ampitahaina amin’ny salan’isa maneran-tany (manodidina ny 10kg isan’olona isan-taona raha 40 kg ny salan’isa amin’ny faritra manodidina antsika).Na dia betsaka aza ny tsena  azo hanondranana, dia tsy mahafeno ireo fepetra araka ny tokony ho izy eo amin’ny kalitaon’ny  vokatra, i Madagasikara. Fepetra takiana eo amin’ny foto-drafitrasa, ny fitaovana famokarana , ny fitehirizana ny vokatra izay tsy mbola zakan’ny fahefa-mividin’ireo mpamokatra madinika .

Efa misy araka izany ny paikady fitantanana ho amin’ny fampandrosoana ity  sehatry ity  izay efa  nankatoavina nandritra ny Fihaonam-bem-pirenena  ho an’ny fiompiana, izay nokarakarain’ny Minisiteran’ny Fambolena sy ny Fiompina ny volana desambra 2021 lasa teo.

Mba hamporisihana ny fampiasam-bola vaovao  sy ho fandraisana anjara amin’ny ezaka   fahavitan-tena ara-tsakafo ary ho fampisandratana ny sehatry ny fiompiana. Ny Minisiteran’ny Fambolena sy ny Fiompiana miaraka amin’ny Malagasy Professionnels de l’Elevage (MPE), tohanan’ny Minisiteran’ny Raharaham-bahiny, dia mikarakara ny «  Tsenabe Iraisam-pirenena momban’ny Fiompiana sy ny vokatra azo avy aminy,  eto Madagasikara, andiany volaohany,  ho tanterahina ny 8 hatramin’ny 11 desambra 2022 ao amin’ny Kianja Barea Mahamasina.

Ho hita mandritry ny FIEPA : Fampirantiana, fanehoana ary  fanomezan-danja ireo biby fiompy manana karazany tsara, avy eto an-toerana sy avy any ivelany.Toerana fanehoana ny fomba fiompiana sy ny  vokatry ny fikarohana ara-teknika sy teknolojika ao amin’io sehatry ny fiompiana io,eo ihany koa ny fanamafisana ny fiaraha-miombon’antoka  amin’ny eto an-toerana, isam-paritra  ary ny iraisam-pirenena amin’ireo   fikarohana vaovao.

Rafitra ho fanamafisana ny fifandraisana ara-barotra amin’ireo mpandraharaha, manam-pahaizana, mpamatsy entana, ny Fanjakana Malagasy ary ireo mpampiasa vola nasionaly sy iraisam-pirenena. Fahafahana mizara sy mifanakalo hevitra momba ny vina vaovao, famaky stratejika ary hetsika ho an’ny fitantanana tsaratsara kokoa ny sehatry ny fiompiana sy ny fampandrosoana ny lalam-pihariana hamokatra  ho amin’ny fahavitan-tena ara-tsakafo sy ny fitodihana amin’ny  fanondranana.

Foire Internationale de l’Elevage et de la Production Animale
« Secteur élevage, fer de lance de l’agribusiness à Madagascar »

La première édition de la Foire internationale de l’élevage et de la production animale à Madagascar « FIEPA », se tiendra du 8 au 11 décembre 2022  au Kianja BAREA Mahamasina.

Le secteur élevage est un pilier du développement à Madagascar par la place qu’il tient sur le plan économique, social et culturel du pays. Premier capital mobilisable pour les ménages ruraux ou périurbains en cas de difficultés, le secteur contribue au revenu de 60 % des ménages.

L’Elevage malagasy rencontre des difficultés de taille. La production nationale reste en deçà de la demande, la tendance sectorielle sur le long terme affiche une baisse. Les quantités consommées sont très faibles comparées aux moyennes mondiales (près de 10 kg per capita par an contre 40 kg en moyenne régionale). Malgré les nombreux débouchés à l’exportation, Madagascar ne remplit pas les conditions normatives des produits. Les exigences en matière d’infrastructures, de matériel de production et de conservation des produits ne sont pas encore à la portée du pouvoir d’achat des petits producteurs.

La Stratégie de Gouvernance Intégrée pour développer le Secteur Élevage a été validée lors du colloque national sur l’élevage, organisé par le Ministère de l’Agriculture et de l’Elevage en décembre 2021.

Afin d’impulser de nouveaux investissements et ainsi contribuer à l’autosuffisance alimentaire et à l’émergence de ce secteur, le Ministère organise avec le Malagasy Professionnels de l’Elevage (MPE), avec l’appui du Ministère des Affaires Etrangères, la première édition de la Foire internationale de l’élevage et de la production animale à Madagascar, les 8 au 11 décembre 2022 au Kianja BAREA Mahamasina.

Placée sous le haut patronage du Président de la République, Andry RAJOELINA, la FIEPA sera un espace d’exposition et de valorisation des animaux d’élevage de race performante, d’origine locale et étrangère ,un lieu de promotion des bonnes pratiques et innovations techniques et technologiques dans le secteur, puis de renforcement des partenariats nationaux, régionaux et internationaux sur ces innovations, un cadre d’impulsion de relations d’affaires avec les opérateurs, les experts, les fournisseurs de biens et services, l’Etat malagasy et les investisseurs nationaux et internationaux et  des opportunités de partage et d’échange autour de la nouvelle vision, des axes stratégiques et des lignes d’action pour une meilleure gouvernance du secteur élevage et un développement de filières productives, en vue de l’autosuffisance alimentaire et l’exportation.

Retour

You might also like

Comments are closed.

?> hacklink al dizi film izle film izle yabancı dizi izle fethiye escort bayan escort - vip elit escort erotik film izle hack forum türk ifşa the prepared organik hit