Ny tetiandrom-pambolena dia fitaovana manampy ireo tantsaha miatrika ny fiovaovan’ ny toetr’andro. Novolavolaina avy amin’ ny vinavinan’ny taom-pahavaratra 2025 – 2026, vokatry ny firaha-miasa eo anivon’ny DGM (Direction Générale de la Météorologie), ny FOFIFA ary ny Ministeran’ny Fambolena sy ny Fiompiana.
☑️Ahitana ireo toro-hevitra sy torolalana momba ny karazam-boly miisa dimy (5) izay tena miankina amin’ny rotsak’orana: dia ny vary, ny tsaramaso, ny katsaka, ny voanjo ary ny ampemba (sorgho).
☑️Hita ao anatin’ny tetiandro avokoa ny momba ny karazana masomboly mety amin’ny faritra rehetra ary ny fotoana tokony hanatanterahana ny asa famokarana manomboka amin’ ny fikarakarana ny tany hatramin’ny fijinjana ny vokatra.
🌾 Vary,🌽 Katsaka,🌱 Tsaramaso, 🥜 Voanjo
https://www.meteomadagascar.mg/produits_prestations/calendriers-culturaux/