Andron’ny vilona ho an’ny vanim-potoanan’ny main-tany

Natao ny 16 mey 2025, ny andron’ny vilona izay nitondra ny lohahevitra «Vilona tsara, ronono tsara » tao amin’ny fokontany Tsaratanana, kaominina Ambatomirahavavy, Faritra Itasy.

Nandritra ny fankalazana dia nisy fampisehoana ny fomba fanamboarana “bloque à lécher” na ny “blocs multinutritionnels” fanampin-tsakafo ho an’ny omby izay ahitana singa madinika manampy azy ireo hahazoto homana. Teo ihany koa ny fampianarana mamboly vilona karazany telo dia ny  “Avoine, Ray grass ary ny Radis fourragers” manaraka ny teknika agroekojika ho fihantoana ny fahasalaman’ny tany.

Tanjon’ny hetsika ny hanentanana ireo mpiompy hamboly vilona rehefa andron’ny main-tany mba ho fiantohana ny fiakaran’ny vokatra ronono fa indrindra ny hanatrarana ny tanjona napetraky Fitondram-panjakana, izay tarihin’nyy  Filoham-pirenena, Andriamatoa Andry RAJOELINA, izay tanterahin’ny Ministeran’ny Fambolena sy ny Fiompiana dia ny Fampivoarana ny famokarana izay mitondra makany amin’ny fahavitan-tena ara-tsakafo.

« Ensemble, transformons le secteur agricole »

Retour

aksiyon filmleri