Dokotera mpitsabo biby miisa 48 avy ao amin’ny faritra Vakinankaratra, Itasy, Menabe, Analamanga, Bongolava ary Melaky no nisitraka fampihofanana sy fampitaovana avy amin’ny MINAE tamin’ny alalan’ny DSV, momba ny fanaraha-maso ny fahasalaman’ny biby amin’ny fampiasana teknolojia moderina « tablette » izay nomen’ny tetikasa RINDRA, tetikasa eo ambany fiahian’ny MINAE ; atrikasa fampihofanana novatsian’ny Vondrona Eropeanina […]
Actualités
Evènements et ateliers
Ho mora kokoa ny faraha-maso ny fahasalaman’ny biby isam-paritra manomboka izao
Teny filamatra hameloma-maso indray ny sehatry ny fiompiana eto Madagasikara manomboka izao ny hoe « Sehatry ny fiompiana : vato sy kitro ifaharan’ny fampandrosoana an’i Madagasiakara ». Mitana toerana lehibe amin’ny fanatratrarana ny fahavitan-tena ara-tsakafo eto Madagasikara ny fiompiana. Manodidina ny 60%n’ny malagasy hatramin’izao no miankina sy mivelona amin’ny sehatry ny fiompiana, izay sehatra mampidi-bola […]
Sehatry ny veterinera eto Madagasikara : ho azo antoka tsara manomboka izao ny santionana singa alefa eny amin’ny laboratoara
Efa maro ireo firenena manodidina no tratrin’ny aretin’ny biby fiompy toy ny fièvre aphteuse, ny peste des petits ruminants, ny gripam-borona izay mety hifindra amin’ny olombelona, aretina haingam-pifindra ary miteraka fatiantoka goavana ara-toe-karena. Ho fiarovana an’i Madagasikara dia ilaina ny fangalana santionana singa amin’ireo biby hahafantarana ny toe- pahasalamany sy hahafahana misoroka ny aretina mety […]
Ady amin’ny kolikoly ho fanatsarana ny tontolon’ny famokarana
Ho fanatanterahana ny vinan’ny governemanta amin’ny fanamafisana ny ady amin’ny kolikoly, ny Transparency International_Initiative Madagascar (TIIM) dia nahazo famatsiambola avy amin’ ny GIZ amin’ny alàlan’ny tetikasa « Fanatsarana ny tontolon’ny asa amin’ny rojom-pihariana “Jono nentim-paharazana » any amin’ny faritra Androy sy Anosy sy ny rojom-pihariana » dipoavatra, kafe, vanilla -jirofo « any amin’ny faritra Atsimo Andrefana. Tanjon’ ny […]