Hanamorana ny fanondranana sy ny fanafarana ireo zava-maniry sy ireo vokatra azo avy amin’ny zava-maniry, dia miroso amin’ny fametrahana ny tetikasa e-Phyto i Madagasikara, izay tetikasa miompana amin’ny fanovana ho nomerika ireo taratasy manamarina ny fahasalaman’ ny zava-maniry na ireo vokatra azo avy amin’ny zava-maniry ilaina amin’ny varotra iraisam-pirenena.Tetikasa izay novolavolain’ny Comité National de Facilitation […]
Actualités
Evènements et ateliers
Ho voarindra tsara kokoa ny famokarana noho ny fisian’ny hotline 321
Iray amin’ireo sehatra ara-toe-karena tena voakasiky ny fiovaovan’ny toetr’andro ny fambolena. Misy fikorontanana ny toetr’andro ka misy fiantraikany amin’ny famokarana izany. Vokatr’izany dia mandalo fahasahiranana ireo tantsaha amin’ny fitantanana ny fandaharam-potoana izay miha-mikorontana hatrany. Miha tsy mifanaraka amin’ny toetr’andro ny voly atao. Ary ny tsy fahampian’ny fahalalana amin’ny fahafaha-mampifanaraka ny rafitry ny famokarana dia miteraka […]
Avaozina sy hatsaraina ny lalàna mifehy ny tontolon’ny veterinera eto Madagasikara
Lalàna telo no ho dinihina ao anatin’ny atrikasa izay karakarain’ny MAEP amin’ny alalan’ny DSV, miaraka amin’ny « Bureau Inter-Ressources Animales » atao ao amin’ny Colbert Antaninarenina ny 18-19 febroary 2021, dia ny lalàna mifehy ny fikarakarana ny tontolon’ny biby na ny “bien-être animal”, ny lalàna mahakasika ny “traçabilité des petits ruminants” ary ny lalàna mamaritra ny fanaraha-maso […]
SNDAM nohavaozina : hihatra manomboka ny faran’ny febroary 2021
Tafiditra ao anatin’ny politikam-panjakana malagasy ny famokarana ho lovain-jafy ny harena anaty rano. Tanjon’ny MAEP ihany koa ny hanitatra ny fiompiana trondro ho amin’ny sehatra lehibe kokoa sy hampanaraka fenitra ny famokarana anaty rano eto Madagasikara. Anisan’ny mampidi-bola betsaka ho an’ny fanjakana malagasy ny jono ary manampy amin’ny fanatràrana ny velirano fahasivin’ny Filoham-pirenena ny fampiroboroboana […]