Miisa 17 mianadahy ireo mpampiofana “Farmer Business School na FBS”, andiany voalohany notolorana ny mari-pankasitrahana ny 10 desambra 2021 tao amin’ny #ESSA Ankatso. Manodidina 7000 ny tantsaha mpamokatra ao amin’ny faritra Atsimo Atsinanana, Androy ary Anosy voahofan’izy ireo tao anatin’ny 2 taona, izay ho lasa tantsaha mpandraharaha matihanina sy ho modely fa tsy ho tantsaha […]
Actualités
PC 23: Afaka miatrika tsara ny taom-pamokarana 2020-2021 ireo tantsaha
Afaka miatrika am-pitoniana ny taom-pamokarana 2020-2021 ireo tantsaha mamboly ao amin’ny lemaka PC23 kaominina Ambodirano, Distrika Amparafaravola, faritra Alaotra Mangoro, raha nisedra olana noho ny fahasimban’ny foto-drafitrasa famatsian-drano izy ireo hatramin’ny taona 2010. Nandray an-tànana ny fanavaozana ny tohadrano Sahabe ny fitondram-panjakana malagasy amin’ny alalàn’ny MINAE, fiaraha-miasa amin’ny governemanta japoney amin’ny alalàn’ny JICA. Efa azo […]
Legioma nentim-paharazana, manampy amin’ny fanjarian-tsakafo eto Madagasikara
Anisan’ny firenena aty Afrika manana karazana legioma nentim-paharazana maro, toy ny anamamy,angivy, voatavo, anapatsa sy ny maro hafa i Madagasikara. Mbola tsy tafapetraka nefa ny fanomezan-danja ireny karazana legioma ireny ka ahiana ho lany tamingana. Hatramin’ny taona 2018 nanombohan’ny tetikasa DARWIN INITIATIVE, tetikasa miara-miasa amin’ny FOFIFA, ny Oniversiten’Antananarivo, sy ny SEMANA ary ny World Vegetable […]
Aretin’omby ao vakinankaratra: mandray ny andraikiny ny MINAE
Manoloana ny trangan’aretina mahazo ny omby izay mampatahotra ny mpiompy ao amin’ny faritra Vakinankaratra dia nandray ny andraikiny mifandraika amin’izany ny MINAE tamin’ny alalan’ny DGE.Efa nisy ny fangalàna singa an’ireo omby nahitana ny trangan’aretina, efa natao ny “analyse” ka hita fa “hémoparasite” no mahazo ireo omby. Efa nisy ihany koa ny “enquête” natao ka eo […]