FANAMAFISANA FIARAHA-MIASA EO AMIN’NY MADAGASIKARA SY NY FIRENENA SINOA.

FANAMAFISANA FIARAHA-MIASA EO AMIN’NY MADAGASIKARA SY NY FIRENENA SINOA.

Anosy 15 Mey 2025,

Tonga nanamafy fiaraha-miasa eo amin’ny sehatry ny Fambolena sy ny Fiompiana ny delegasionina sinoa miandraikitra ny ara-barotra sy ny fadintseranana.
Nandritry ny fihaonana dia nanao jeritodika ny fifanakalozana ka nahitana fihakarany ho 7,6% ny tamin’ny taona lasa eo amin’ny sehatry ny mangahazo maina, vanila, jirofo, mahabibo ary ny ondry.

Ho jerena ihany koa ny fomba entina hanatsarana ny fifanakalozana ara-barotra eo amin’ny kalitaon’ny vokatra, fahabetsahan’ny vokatra fa indrindra ny hampidirana ihany koa karazam-bokatra hafa manaraka ny fenitra takian’ny tsena sinoa ka hanatanterahana izany dia hisy ny fifanampian’ny firenena roa amin’ny :
• fampanarahana ny vokatra ahondrana ny « mesure phytosanitaire » sy ny « sécurité sanitaire » eo amin’ny fanondranana biby sy voly fanondrana;
• fampiakarana ny famokarana ny vokatra amin’ny alalan’ny masomboly, zezika, fampiasana fitaovana moderina na ny « mécanisation agricole », fanatsarana ny taranaky ny biby, ny fiarovana ny fasalaman’ny biby ary indrindra ny famokarana sakafon’ny biby.

« Ensemble, transformons le secteur agricole »

Retour

aksiyon filmleri