Fanaraha-maso ny fizotry ny asa ataon’ny tetikasa TEFIALA ao amin’ny Faritra Matsiatra Ambony.

Nidina ifotony nanara-maso ny fizotry ny asa tao Matsiatra Ambony ny komity mpitarika sy mpanara-maso ny tetikasa TEFIALA (COPIL) ny 12- 16 mey 2025.

Nandritry ny fidinana an-tsehatra dia nisy ny (1) Fanolorana tamin’ny fomba ofisialy ireo fitaovana sy kojakoja ara-pambolena ho an’ireo tantsaha mpamokatra, (2) Fitsidihana natao teo anivon’ny kaominina misy ireo  endritany roa iasan’ny tetikasa, izay nijerena ny fahapotehan’ny harena voajanahary ka nahafahana nanolotra soson-kevitra ara-teknika mifanaraka amin’izany, (3) Atrikasa fanehoana ny hevi-dehibe momba ny drafi-panajariana sy fitantanana mirindra ny endritany Volanony Matsiatra sy Ranomainty; (4) Fivoriana niarahana tamin’ireo mpiara-miombon’antoka amin’ny tetikasa TEFIALA ho fiarovana maharitra ny tontolo iainana ao amin’ny Faritra Matsiatra Ambony.

Ny fidinana an-tsehatra dia :

  • nijerena ny fandrosoan’ny tetikasa, anisan’izany ny hetsika eny amin’ny saha, sy ny fampiharana ireo hevitra nivoitra nandritry ny fivoriana,
  • Nandraisana ireo soso-kevitra hiorana amin’ ny sakana sy ny fahasahiranana amin’ny fampiharana.
  • Nankatoavana ireo vaovao manan-danja ao amin’ny drafi-panajariana sy fitantanana mirindra ny endritany na (PAGIP) ao Volanony Matsiatra sy Ranomainty.
  • Nanolorana ireo soson-kevitra mahakasika ny fahapotehan’ny tontolo sy ny fampiasana ny tany ary ny ala amin’ireo toerana roa, amin’ny fijerena ihany koa ny fomba fiainan’ireo mponina izay miankina amin’ireo loharano voajanahary.
  • Nanatsara ny fahitana sy ny fampahafantarana ny tetikasa sy ny famatsiam-bola eo amin’ny fiaraha-monina sy ny tambazotra sosialy.

Nisy araka izany ny fanombanana  ny fandrosoana sy ny vokatry ny tetikasa amin’ireo endritany roa ao Matsiatra Ambony, ka nahafahana mandrefy ny zava-bita, mamantatra ny fiantraikan’ny tetikasa amin’ny mponina sy ny tontolo iainana, ary mametraka hevitra fanatsarana amin’ny fanohizana ny asa.

Tsiahivina fa ny tetikasa TEFIALA moa dia tetikasa iarahan’ny Ministeran’ny Fambolena sy Fiompiana (MINAE) manatanteraka amin’ny Minisiteran’ny Tontolo Iainana sy ny Fandrosoana Lovain-jafy (MEDD), ary ny FAO izay mitantana ny famatsiam-bola azo avy amin’ny mpamatsy vola FEM na ny (Fonds pour l’Environnement Mondial).

« 𝐄𝐧𝐬𝐞𝐦𝐛𝐥𝐞, 𝐭𝐫𝐚𝐧𝐬𝐟𝐨𝐫𝐦𝐨𝐧𝐬 𝐥𝐞 𝐬𝐞𝐜𝐭𝐞𝐮𝐫 𝐚𝐠𝐫𝐢𝐜𝐨𝐥𝐞 »

Retour