Nitafa mivantana tamin’ireo tantsaha tao amin’ny FKT Andrafia, CR Ampandriakilandy, Antsohihy. Nihaona, nifampizara vaovao, niresaka ny zava-misy sy ny olana ary nandrosoana vahaolana maharitra ho amin’ny Fampivoarana ny Famokarana sy fanatsarana ny fiharian’ireo tantsaha eny ifotony ireo.
Mbola malalaka ny velaran-tany azo trandrahana ao Sofia koa nangataka fanohanana ara-teknika sy ara-pitaovana tamin’ Andriamatoa Ministra ny tantsaha.
Nandray ny hetaheta sy nandroso fanatsarana sy vahaolana avy hatrany ny Ministra ka nilaza fa efa misy ny fanohanana entina.
Mampiakatra 50%n’ny famokarana ny fanarahana teknika sy ny fampiasana masomboly voamarina sy zezika tsara kalitao hoy izy nanamafy, esty andaniny ny fisian’ny rano sy ny fotodrafitrasa ho enti-mamokatra.
Teo amin’ny « vala fanehoana » ny teknika Pfumvudza no nanaovana ny tafatafa sy dinidinika.
velom-panantenana sy fanakasitrahana ireo tantsaha.

« Ensemble, transformons le secteur agricole »