Taorian’ny fijerena ny fizotry ny asa tao amin’ny lemak’i Beboka, tao Antsalova nataon’ny Ministry ny fambolena sy ny fiompiana sy ireo mpiara-dia taminy, dia nidina tao Morondava, faritra Menabe indray izy ireo, ny 05 jolay 2022, nanao fifanakalozan-kevitra tamin’ireo tantsaha sy ireo mpisehatra rehetra voakasiky ny Lemak’i Dabara, hamahana ny olàna amin’ny fampiasan-drano sy hanarenana […]
Actualités
Lemak’I Beboka: mitohy ny asa fanamboarana ireo fotodrafitrasa ho enti-mamokatra
Fanambin’ny Filoham-pirenena Andry RAJOELINA ny fanamboarana sy fanavaozana ireo foto-drafitrasa eo amin’ny sehatry ny famokarana ary ny fanitarana ny tany ho volena, hahafahana mahatratra ny fahavitan-tena ara-tsakafo. Taorian’ny fihaonam-bem-pirenena ho amin’ny fahavitan-tena ara-tsakafo izay notanterahina ny 16-17 jona 2022, dia tsy maintsy miroso amin’ny fanamboarana sy famitàna izany fotodrafitrasa izany ny MINAE. Araka izany, dia […]
Mihamafy kokoa ny fiaraha-miasa eo amin’ny MINAE sy ny SYMABIO ho fampiroboroboana ny vokatra biolojika
Nanomboka ny taona 2017 no efa niara-niasa ny MINAE sy ny SYMABIO. Vokatr’izany dia efa nisy ny fampahafantarana ny lalàna momba ny famokarana biolojika ny taona 2020, narahina famolavolana ny paik’ady nasionaly momba izany. Ho fanamafisana hatrany ny fiaraha-miasa eo amin’ny 2 tonta dia nosoniavina ny 20 jona 2022 tao Anosy ny fifanekem-piaraha-miasa. Ity fifanakem-piaraha-miasa […]
Atrikasa nasionaly momba ny masomboly
Tanterahina mandritry ny hateloana (31 may, 01 et 02 jona 2022) ao amin’ny CNEAGR Nanisana ny atrikasa fikaonan-doham-pirenena ho an’ny masomboly, izay nokarakarain’ny MINAE niaraka tamin’ireo mpiara miombon’antoka ara-bola sy ara-teknika ary ny mpisehatra rehetra ao anatin’ny masomboly. Miroso amin’ny fanafainganana ny fizakan-tena ara-tsakafo i Madagasikara amin’ny alalan’ny fampivoarana sy fanovàna ny seha-pamokarana. Sehatra atao […]