Taorian’ny fijerena ny fizotry ny asa tao amin’ny lemak’i Beboka, tao Antsalova nataon’ny Ministry ny fambolena sy ny fiompiana sy ireo mpiara-dia taminy, dia nidina tao Morondava, faritra Menabe indray izy ireo, ny 05 jolay 2022, nanao fifanakalozan-kevitra tamin’ireo tantsaha sy ireo mpisehatra rehetra voakasiky ny Lemak’i Dabara, hamahana ny olàna amin’ny fampiasan-drano sy hanarenana ny fotodrafitrasa.
Nisy ny fampahafantarana ny fanadihadiana an-tsipirihany, momban’ny fantsarana ny tambazotran’ny Dabara, vokatry ny asa fanadihadiana izay notohanan’ny FORMAPROD. Olàna lehibe hita amin’ny fampiasana ny rano ny fahanteran’ny fotodrafitrasa satria efa an-taonany maro tsy nisy fanamboarana sy fanavaozana, Eo ihany koa ny tsy fahafehezana ny fitsinjarana ny rano, maro be ireo mampiasa ny rano tsy ara-dalàna , ary tsy manaraka ny tetiandrom-pamokarana ny tantsaha.
Vahaolana dimy lehibe araka izany no natolotry ny Ministera dia (1) ny Fanalàna ny fasika izay manentsina ny rano eo amin’ny barazy sy ny fanarenana ireo lakandrano sy foto-drafitrasa rehetra eo amin’ny barazy, (2) ny fanorenana lakan-drano fanampiny miainga eo DABARA, mifanila amin’ny lakan-drano efa misy, (3) ny fanorenana barazy Kabatomena izay hganome debit 4m3/s, miaraka amin’ny lakan-drano mirefy 10km mifanaraka aminy, izay hampiasaina isaky ny asara, (4) ny fanorenana ny barazy ao Antandila hanome débit 2m3 /s ary (5) ny fanorenana ny Barazy ao Bekopaka izay manana haivo 180 tapitrisa m3, izay hanampy ny rano ao Dabara mandritry ny main-tany.
Ny Lemak’I Dabara moa dia hanondraka velaran-tany 20 000 Ha raha 4680ha no voatondraka amin’izao fotoana. Anisan’ny Sompitra iray lehibe eto Madagasikara I Dabara ary distrika 2, dia I Mahabo sy Morondava no voakasik’izany. Vahoaka maro araka izany no mivelona aminy ka tsy maintsy atao ny fanatsarana, ny fanorenana ary ny fanamboarana.
Hiara-hisalahy amin’ireo Ministeran’ny Indostria sy ny varotra ary ny fanjifana ny MINAE amin’izany satria anisan’ny miantoka ny toe-karen’ny faritra Menabe ihany koa ny famokarana fary izay avadika siramamy. Manodidina ny 12 000ha ny velaran-tany fambolena fary ao an-toerana. Vonona izy ireo amin’ny fanatanterahana izany.
“Tsy maintsy mitondra fanovàna ary hafainganina ny fanavaozana ny fotodrafitrasa maharitra sy ho lovain-jafy ho fampiroboroboana ny famokarana ho amin’ny fahavitan-tena ara-tsakafo” hoy ny Minisitry ny fambolena Harifidy RAMILISON.