Les femmes acteurs de la gestion des ressources marines et côtières engagées pour l’avenir

A l’occasion de la Journée Mondiale de la Femme Rurale tout le 15 octobre, le Fisher Women  Leaderhip  Program a été lancé officiellement au Panorama Andrainarivo, un programme appuyé par le MAEP, financé par le programme USAID « Hay Tao » et issu de la collaboration entre le réseau MIHARI (Mitantana Harena andRanomasina avy eny Ifotony) et SPE (Santé Population Environnement). Ce programme vise à impliquer les femmes dans la gouvernance et la gestion des ressources marines.

En marche du lancement officiel , une trentaine de femmes venant des 13 zones côtières de Madagascar ont reçu une formation  le 12, 13 et 15 octobre 2020 concernant trois grandes thématiques dont  (i) le genre dans le monde de la gestion de la pêche, (ii) le paysage de la pêche à Madagascar et (iii) la communication communautaire. Cette formation a été initiée  suite à l’identification de leur besoin au préalable.

A l’issu de cette formation, les femmes ambassadrices sélectionnées ont présenté leur plan d’action aux parties prenantes  et elles seront aptes à développer elles-mêmes une feuille de route par région d’intervention suivant les actions prioritaires afin d’apporter leur contribution dans l’amélioration de la filière petite pêche à Madagascar.

26 femmes leaders sélectionnées pour le programme profiteront  aussi de nombreuses formations, et auront l’occasion de sensibiliser d’autres femmes afin d’être impliquées dans la gestion et la gouvernance des ressources marines et côtières.

Le programme Fisher Women  Leaderhip contribue  généralement à la réalisation du Velirano n° 10 du Président Andry RAJOELINA « la gestion durable de nos ressources naturelles », du velirano n°6 « l’emploi récent pour tous » et le velirano 8 « nos femmes et nos jeunes pour l’avenir », qui tend vers l’égalité homme et femmes dans la société et les institutions.

—————————————————–

Ho fankalazana ny andro iraisam-pirenena ho an’ny vehivavy any Ambanivohitra izay miaina amin’ny fambolena sy ny fiompiana ary ny jono, isaky ny 15 oktobra, dia nisy ny fanaingana ofisialy ny tetikasa « Fisher Women Leaderhip Program », programa novolavolaina ho an’ny vehivavy avy amin’ny amorontsiraka izay mivelona amin’ny jono madinika, mba irotsahany an-tsehatra bebe kokoa amin’ny fitantanana harenan-dranomasina avy eny ifotony sy ny fampandrosoana lovain-jafy. Zava-kendren’ny tetikasa ny hampitomboana ny isan’ny vehivavy misahana andraikitra sy mitarika ao anatin’ny vondron’olona ifotony mpitantana fari-dranomasina, ary ny hampitomboana ihany koa ny isany ao amin’ny fitondrana ny tenin’ireo vondron’olona ireo ho eo amin’ ny sehatra nasionaly, amin’ny alalan’ny tambazotra MIHARI.

Vehivavy efa mpitarika avy eny ifotony avy amin’ny faritra amorontsiraka 13 eto Madagasikara no voatsonga ho filamatr’ity tetikasa ity ary niatrika ny fiofanana ka notolorana mari-pankasitrahana. Nampahafantarin’ny MAEP nandritra ny fiofanana ihany koa ny andinin’ny lalana momba ny jono sy ny seha-pihariana hahafahan’izy ireo miomana amin’ny maha mpitarika azy sy hampita izany eny ifotony.

Ny tetikasa « Fisher Women leaderhip program” dia mifanaraka amin’ny velirano faha10 “ny fitantanana maharitra ny harena voajanahary an-dranomasina” sy ny velirano faha-6 “asa mendrika ho an’ny rehetra” napetraky ny Filoha Andry RAJOELINA. Eo koa ny Velirano faha8 manokana izay mametraka « ny vehivavy sy ny tanora malagasy taratry ny ho avy », amin’ny alalan’ny fampiroboroboana ny mira lenta eo anivon’ny fiaraha-monina.