RIZ PLUS : Tetikasa manohana ny tantsaha sy mampiroborobo ny famokarana ao amin’ny faritra Sofia.

Antsohihy, 18 Aprily 2025
Natombok’ Andriamatoa Ministry ny Fambolena sy ny Fiompiana, Andriamatoa HAJARISON François Sergio no sady Minisitra mpiahy ny Faritra Sofia tamin’ny fomba ofisialy tao Antsohihy, ny Tetikasa RIZ PLUS, niarahana tamin’ireo manam-pahefana tao an-toerana.
Tetikasa hampiakarana ny vokatra sy hanamafisana ny fahafaha-miatrik’ireo Tantsaha manoloana ny fiovaovan’ny toetrandro sy ny olana ara-tsosialy, eo ambany fiahian’ny MINAE vatsian’ny Banky Iraisam-pirenena sy FDA vola.
Zava-dehibe ny fisian’ny Tetikasa Riz Plus hoy Atoa Ministra satria manamafy ny fanatrarana ny Fampivoarana ny Famokarana, izay napetraky ny Filoham-pirenana Andry RAJOELINA.
Apetraka ny tondrozotra mazava arahina Paikady amin’ny fanatanterahana ny Tetikasa ho Fampandrosoana ity Faritra Sofia ity, ka hisy ny fanaraha-maso ny fanohanana, amin’ny alalan’ ny fametrahana ny haitao ara-kajy mirindra, izay efa imasoana.
Mihaino ny feon’ny tantsaha ifotony ny Ministera, raisina avokoa ny fanehoan-kevitra rehetra hanatsarana ny fampiharana ny tetikasa, hoy hatrany izy nandritry ny fihaonana tamin’ireo mpisehatra.
Marihina moa fa voalohany i Sofia amin’ny famokarana vary eto Madagasikara ary antenaina ny hampitomboana indray ny vokatra ho 800 000 T Isan-taona.


« Ensemble, transformons le secteur agricole »

Retour

aksiyon filmleri