Velaran-tanimbary manodidina ny 10 000ha ao amin’ny lemak’i PC23, faritra Atsimo Andrefan’ny lac Alaotra no ho voatondraka ara-dalana manomboka izao vokatry ny fahavitan’ny lamina fitarihan-drano lehibe ao Sahabe. Foto-drafitrasa izay mifanin-dran-dalana tanteraka amin’ny vinan’ny Governemanta malagasy dia ny hanajary velaran-tany 100 000ha ho fanatanterahana ny fahavitan-tena ara-tsakafo, indrindra ny fahavitan-tena ara-bary. « Tombanana ho tafiakatra 580 000 taonina isan-taona […]
Actualités
10 may 2022 Sahabe, Alaotra Mangoro. Fitokanana amin’ny fomba ofisialy ny lamina fitarihan-drano hanondrahana ny lemaka Atsimo Andrefan’ny lac Alaotra-PC23
Santa-bary sy fifampizarana ho fanapariahana ny vary safiotra eto Madagasikara
Anisan’ny paikady efa naroson’ny MINAE ho fanatrarana ny velirano faha-9 ny Filoham-pirenena dia ny fahavitan-tena ara-tsakafo ny hambolena ny vary safiotra izay hoezahina haparitaka eto Madagasikara. Niaka-bokatra ny vala-tahaka hanehoana ny voly vary safiotra izay anaovana fikarohana eny Andranovaky Mahitsy ka antony nanatanterahana ny lanonana Santa-bary 2022 vary safiotra ny Zoma 06 May 2022. Lanonana […]
Atomboka ny « fametrahana tambajotran-tserasera momba ny fambolena sy ny fiahiana ara-tsakafo ary ny fanjarian-tsakafo amin’ireo firenena aty amin’ny ranomasimbe Indianina» ao anatin’ny Fandaharanasa SANOI
Efa mpikambana ao amin’ny COI sy ny COMESA ary ny SADC i Madagasikara ka manana fahafahana amin’ny hanamafisana ny fampidirana ny vokatry ny famokarana ho amin’ny tsena eo anivon’ny faritry ny ranomasimbe Indiana sy ny tsena iraisam-pirenena. Amin’izao fotoana izao anefa dia mbola tsy ampy ny angom- baovao sy antontan’isa fototra feno sy azo antoka […]
FAMPITOMBOANA ISA NY TEKNISIANINA
Natombokin’ny Minisitry ny Fambolena sy ny Fiompiana, RAMILISON Harifidy, tamin’ny fomba ofisialy ny 05 Aprily tao amin’ny EFTA Ambatobe ny taom-piofanana an’ireo mpiasam-panjakana voafantina miisa 50. Izy ireo izay naneho fahavononana ny hanovo traikefa sy fahaiza-manao momba ny tontolon’ny fambolena sy ny fiompiana eny anivon’ny EFTA Ambatobe sy eny anivon’ny EFTA Iboaka Fianarantsoa, ka ho […]