Afaka miatrika am-pitoniana ny taom-pamokarana 2020-2021 ireo tantsaha mamboly ao amin’ny lemaka PC23 kaominina Ambodirano, Distrika Amparafaravola, faritra Alaotra Mangoro, raha nisedra olana noho ny fahasimban’ny foto-drafitrasa famatsian-drano izy ireo hatramin’ny taona 2010. Nandray an-tànana ny fanavaozana ny tohadrano Sahabe ny fitondram-panjakana malagasy amin’ny alalàn’ny MINAE, fiaraha-miasa amin’ny governemanta japoney amin’ny alalàn’ny JICA. Efa azo […]
Actualités
Legioma nentim-paharazana, manampy amin’ny fanjarian-tsakafo eto Madagasikara
Anisan’ny firenena aty Afrika manana karazana legioma nentim-paharazana maro, toy ny anamamy,angivy, voatavo, anapatsa sy ny maro hafa i Madagasikara. Mbola tsy tafapetraka nefa ny fanomezan-danja ireny karazana legioma ireny ka ahiana ho lany tamingana. Hatramin’ny taona 2018 nanombohan’ny tetikasa DARWIN INITIATIVE, tetikasa miara-miasa amin’ny FOFIFA, ny Oniversiten’Antananarivo, sy ny SEMANA ary ny World Vegetable […]
Aretin’omby ao vakinankaratra: mandray ny andraikiny ny MINAE
Manoloana ny trangan’aretina mahazo ny omby izay mampatahotra ny mpiompy ao amin’ny faritra Vakinankaratra dia nandray ny andraikiny mifandraika amin’izany ny MINAE tamin’ny alalan’ny DGE.Efa nisy ny fangalàna singa an’ireo omby nahitana ny trangan’aretina, efa natao ny “analyse” ka hita fa “hémoparasite” no mahazo ireo omby. Efa nisy ihany koa ny “enquête” natao ka eo […]
Nanome toky ny Sekretera Jeneraly vaovaon’ny MINAE fa hanao izay tratra ho fanatratrarana ny tanjona napetraky ny Ministera
Anosy 15 oktobra 2021. Tontosa ny famindram-pahefana teo amin’Andriamatoa Sekretera Jeneralin’ny MINAE teo aloha, TILAHY ANDRIANARANINTSOA Désiré Gabriel sy Ramatoa RAHARINOMENA Fanja, Sekretera Jeneraly vaovao, lanona izay natrehan’Andriamatoa Minisitry ny Fambolena sy ny Fiompiana ary ny Jono, Harifidy RAMILISON. Nandritra izany dia nangataka hatrany ny fifankatiavana sy ny fiaraha-miasa avy amin’ny tsirairay ny Minisitra, ho […]