Fidinana stratejika nataon’ny Komity mpanapa-kevitra ho fanamafisana ny tetikasa TEFIALA ao Atsimo Andrefana.

Tontosa ny 14 hatramin’ny 18 aprily 2025 ny fidinana ifotony nataon’ireo mpikambana mpanapa-kevitra ao amin’ny Komity mpitantana (COPIL) ny tetikasa TEFIALA, tao amin’ny Faritra Atsimo Andrefana.

Tanjona ny hanaovana tombana amin’ny fandrosoan’ny asa iarahan’ny Ministeran’ny Tontolo Iainana sy ny Fampandrosoana Lovainjafy (MEDD) sy ny Ministeran’ny Fambolena sy ny Fiompiana (MINAE) tanterahina amin’ny alalan’ny tetikasa TEFIALA, ao amin’ny endritanin’i Bas Mangoky.

Asa notanterahina :

-Fandraisana anjara tamin’ny fivoriana ara-teknika niarahana tamin’ireo mpiara-mamatsy vola sy ireo mpiara-miombon’antoka ao amin’ny sahan’i Bas Mangoky ;

-Fandraisana anjara tamin’ny atrikasa fizarana ireo teboka manan-danja amin’ny antontan-taratasy PAGIP ;

-Fivoriana ara-teknika niarahana tamin’ny tetikasa ho fanombanana ny fandrosoana, famantarana ny olana ary fanolorana soso-kevitra ;

-Fitsidihana ny toeram-pamokarana zanakazo manaraka ny teknolojia vaovao ao Tantalavo (Kaominina ambanivohitra Ankatsakantsa Atsimo), natao hanohanana ny fambolena hazo fanamafisana ala, ny fanarenana ala simba sy ny fambolena hazo vaovao ;

-Fizarana fitaovana sy masomboly ho an’ireo mpisitraka ao amin’ny sahandriakan’i Andranombilo (Kaominina Tantalavo) sy ny Kaominina ambanivohitra Ankatsakantsa Atsimo, ho fanohanana ny fitantanana maharitra ny tany sy ny ala.

Vokatra nandrasana:

-Miresaka sy mandinika amin’ireo mpiara-miombon’antoka ny fandrosoan’ny tetikasa,

-Mamantatra ireo sakana sy olana hita anatin’ny tetikasa,

-Manome tolo-kevitra mifanaraka amin’ireo sakana mba ho fanatsarana ny asa,

-Mamantatra ny toetry ny fahasimban’ny harena voajanahary ao amin’ny endritanin’i Bas Mangoky ho fototra iadian-kevitra sy fifanakalozana miaraka amin’ireo mpiara-miombon’antoka sy ny vondrom-piaraha-monina eny an-toerana momban’ ny dingana ho famitana ny drafim-panajariana sy fitantanana mirindra ny endritany na ny “PAGIP”,

-Mijery ifotony ny fampiasana ny famatsiam-bola amin’ny fampiharana mivantana ireo asa mifandray amin’ny tontolo iainana sy ny fambolena, amin’ny alalan’ny fanarenana ny endritany sy ny atiala.

Retour

aksiyon filmleri